Misy raha ao

Raharaha famonoana mpitsara : Kaomisera roa nampidirina am-ponja

Samedi 14 Janvier 2012

Contrôleur général Rakotondratsima Désiré Johnson, Tale jeneralin’ny polisim-pirenena
Contrôleur général Rakotondratsima Désiré Johnson, Tale jeneralin’ny polisim-pirenena
Nampidirina am-ponja vonjimaika avy hatrany ireo kaomisera roa, tompon’andraikitra lehiben’ny polisy tany Toliara tamin’ny fotoana nisian’ny olana teo amin’ny polisy sy ny mpitsara, ka nitarika tamin’ny fahafatesan’ny mpitsara Rehavana Michel.

Naharitra ora maro ny fanadihadiana ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao.

« Isan’ireo polisy 14 mbola hatolotra ny Fitsarana ireto kaomisera ireto. Tsy nosamborina izy ireo fa nantsoina dia tonga. Malahelo izahay amin’ny maha samy polisy, nefa na izany aza tsy maintsy ampiharina ny lalàna. Efa voahafatrafatra avokoa ny polisy rehetra fa mbola afaka mampiakatra amin’ny ambaratongam-pitsarana ambony kokoa », hoy ny contrôleur général Rakotondratsima Désiré Johnson, Tale jeneralin’ny polisim-pirenena.

« Haneho hevitra izahay ny zoma araka izay tapaka tamin’ny fivoriana notanterahinay », hoy kosa ny kaomisera Tsaramonina Ravony Jean Victoir, filohan’ny fikambanan’ny kaomisera, tamin’ny resaka an-tariby nifanaovana taminy, alina.

Fanindroany izao no niditra am-ponja ity talen’ny polisy tao Toliara ity. « Isan’ireo tratry ny fanenjehan’ny mpitondra teo aloha izy noho ny raharaha 2002 », hoyny loharanom-baovao iray.

Manoloana izany rehetra izany dia mbola nanamafy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara, Auguste Marius Arnaud fa ny fanampahan-kevitry ny fivoriamben’ny mpitsara ahany no manana ny teny farany amin’izay hetsika hotanterahin’izy ireo manaraka.

« Tsy fantatray mihitsy izay fandehan’ny antontan-taratasin’ady ao amin’ny Fitsarana mikasika iny raharaha iny. Tokony handray andraikitra ihany koa ny Praiministra amin’izao zava-misy izao amin’ny maha lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana azy, fa tsy hialokaloka fotsiny amin’ny fiteny diplaomatika », hoy izy.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar