Misy raha ao

Raharaha halatra taova : Nahazo fahafahana ilay olom-boafidy

Lundi 29 Août 2011

Afak’omaly no fantatra fa nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika ilay olom-boafidy iray eny Ambohidratrimo isan’ny voasingotra tamin’ilay raharaha "halatra taova" nitranga teny Ambohidratrimo.

Efa naiditra am-ponja vonjimaika ity farany izao nahazo fahafahana izao. Vehivavy iray mpiara-monina tamin’ilay zazavavy 7 taona maty, voalaza fa nampiharana ity halatra taova ity, ihany koa no nahazo fahafahana vonjimaika niaraka tamin’ilay olom-boafidy.

"Malahelo izahay raha izao no zava-misy. Tsy izahay no nanam-piniavana hitory ireo olona roa nahazo fahafahana ireo fa noho ny vaovao nentin’olona avy any am-ponja taorian’ny nahafahan’io olona io no nahafantarana ny zava-nisy marina. Nitady anay mantsy ilay olona rehefa afaka ary nitantara ny zava-nisy fantany tany am-ponja tamin’ireo olona am-polony efa notanana any. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra izahay araka izany mba hijery akaiky ity raharaha ity", hoy Rakotovony Jean Marie, rain’ilay zaza maty.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar