Misy raha ao

Raikitra ny an-kitifitra, olona valo no maty

Vendredi 28 Octobre 2011

Nahomby ny fiaraha-mientan’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona. Nanafika tao Tsaramasoandro, fokontany Beambiaty, kaominina Bemahatazana, any Tsiroanomandidy ny dahalo 11 lahy, ny talata 25 oktobra tamin’ny 5 ora sy sasany maraina.

Nanapoapoaka basy sady nitabataba fiavy ny fidiran’izy ireo tao an-tanàna. Nisy olona tao amin’ny tokantrano iray, araka ny tatitra nataon’ny zandary, nanokatra kely ny varavararankeliny, saika hamaly tamin’ny tifitra. Avy hatrany dia notifirin’ireo dahalo ilay lehilahy nitranga teo ka maty voa teo amin’ny fony. Lasan’izy ireo avy eo ny basiny.

Tsy lavitra an’io toerana io no nisy andiana zandary sy miaramila, manao fitsidihana fampandrian-tany. Niara-nientana avy hatrany izy ireo sy ny fokonolona nifanenjika sy nifampitana tamin’ireo olon-dratsy. Dahalo fito lahy no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana. Nanao tongotra an-katoka, nitsoaka ireo efa-dahy sisa. Azo teny amin’ireto olon-dratsy ireto ny basy dimy ka anisan’izany ilay basy vao nalainy tao an-tanàna. Fokonolona telo naratra. Nisy naratra koa tamin’ny mpitandro ny filaminana, fa tsy misy atahoranany momba azy ireo.

Mbola manohy ny fikarohana ireo efatra nitsoaka ireo ny zandary any an-toerana amin’izao. Isan’ny faritra mafampana amin’ny asan-dahalo ny faritra Bongolava. « Mampitombo ny asan-dahalo aty aminay ny resaka politika. Manararaotra ny dahalo rehefa tsy milamina ny raharaham-pirenena », hoy ny mponina iray any an-toerana.

Barphil Andriantsiferanarivo / Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar