Misy raha ao

« Rallye Club Dzama Sport » : Subaru fito sy Mistubishi telo no handray ny fiaingana

Vendredi 10 Juin 2011

« Rallye Club Dzama Sport » : Subaru fito sy Mistubishi telo no handray ny fiaingana
Fampisehoana ireo fiarakodia matanjaka no hanamarika ny andiany voalohany ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Rallye na ny « Rallye Club Dzama Sport », izay hanomboka anio.

Subaru fito be izao sy Mitsubishi telo no handray ny fiaingana amin’izany fifaninanana manamory fiarakodia izany.

Tamin’ity no betsaka indrindra ireo fiarakodia mitarika amina kodiarana efatra (4 roues motrice) hatramin’izay nisian’ny fifaninanana ho an’ny Rallye. Mbola tsy tafiditra ao anatin’izany aza ry Joda sy Rila ary i Freddy sy Yachine, izay manomana ny fiadiana ny ho tompondakan’Afrika ato ho ato.

Banga kosa ny toerana ho an-dry Sissi sy ry Kopela, izay isan’ireo mpiangaly Subaru. « Tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny Rallye farany teo no nahitana fiarakodia toy itony nandray anjara betsaka », hoy i Jeannot Rabekoto, filohan’ny klioba Asacm.

Isan’ireo kalaza hiverina hifaninanana indray i Laza sy Jean Philippe, izay hitondra ny Mitsubishi Evo 9. Mpifanandrina akaiky aminy eo amin’ilay karazana fiarakodia i Mathieu sy i Andry Tahiana, izay hiova fiarakodia amin’ity, rehefa avy nifandimby tamin’ny P 205 sy Subaru hatramin’izay.

Eo ihany koa i Irina sy Berthin, izay efa nanandrakandrana ihany tamin’ny taon-dasa tamin’ny fitondrana ny Mitsubishi Evo 10, saingy amin’ity izy ireo vao tena hanezaka mafy.

Eo amin’ny Subaru indray dia hanamarika ny fifaninanana ny fiverenan-dry Hery Be sy Fafah amin’ny Subaru. Eo ihany koa ry Nashemy sy Laurent, izay efa miha zatra Subaru. Hiverina ihany koa ry Mamy kely amin’ny anarana hafakely, Hubert, amin’ny Subaru.

Mahatratra 29 ireo fiarakodia rehetra handray ny fiaingana amin’izao andiany voalohany izao.

Roméo Andrimihaja

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar