Misy raha ao

Rugby-Analamanga : Nokorontanin’ny IRC ny 3FB

Mercredi 6 Avril 2011

Niseho ny tsy napoizin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny alahady teo, teny amin’ny kianjan’Alarobia.
Rugby-Analamanga : Nokorontanin’ny IRC ny 3FB

Tamin’ny alalan’ny isa 31 no ho 27 no nandavoan’ny Iarivo Rugby Club azy ireo, nandritra ny andro voalohany ho an’ny Top 14 na ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny rugby. Ho an’ireo vokatra hafa kosa indray dia saika nanjakazaja ireo ekipa goavana ao amin’ity sokajy diviziona voalohany elita voalohany ity. Tontosa teny amin’ny kianjan’Alarobia tamin’ny faran’ny herinandro teo izany fanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Analamanga izany. Saika tamina alalan’ny elanelan’isa lavitra avokoa no nivoahan’izy ireo ho mpandresy teto, ankoatra ny Tam Anosibe sy Ikopa. Ho an’ny Tam dia efa sempotra vao tafavoaka teo anatrehan’ny JC Antaohomadinika izy ireo. Tamin’ny alalan’ny isa 15 no ho 12 no nisarahan’ny roa tonta teto.

Toy izany ihany koa ny an’ny US-Ikopa, izay voatery nisaraka tamin’ny alalan’ny isa 19 noho 15 teo anatrehan’ny 3F Ambalavao Isotry.

Nomontsanin’ny FT Manjakaray tamin’ny alalan’ny isa 36 noho 14 kosa ny TF Anatihazo tamin’ity andro voalohany ho an’ny fifaninanana ity, izay isan’ireo elanelana betsaka indrindra teo amin’ireo lalao fito tsy maintsy notontosaina teo amin’ny Top 14. Hitohy amin’ny herinandro ny fiadiana ny ho tompondakan’ity ligy ity ho an’ireo ekipa 14 ireo.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar