Misy raha ao

Rugby - « TOP 14 » : Hampitora-jofo ny kianjan’i Malacam ny FTM sy TAM

Samedi 2 Juillet 2011

Rugby - « TOP 14 » : Hampitora-jofo ny kianjan’i Malacam ny FTM sy TAM
Taorian’ny telo herinandro niatoan’ny fifaninanana « top 14 », ho an’ny baolina lavalava, eo anivon’ny ligin’Analamanga dia hiverina indray izany amin’ity faran’ny herinandro ity ;

Isan’ireo lalao goavana andrasan’ny rehetra amin’ny alahady ny fifanandrinana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny FT Manjakaray, izay efa mifankafantatra hatramin’ny ela. Hatramin’izay dia nifandrimbiasana hatrany ny fandresena teo amin’ny roa tonta, saingy mbola misy vela hoesorina ny an’ny FTM.

Ho lalao goavana ihany koa ny fifandonan’ny kartie, TF Anatihazo Isotry izay hialoha ity « Donabe » ity. Ny sabotsy kosa dia hoentina mamarana ny tontolo andro ny fifandonan’ny US Ankadifotsy sy ny JC Antohomadinika. Eo ihany koa ny Cosfa sy ny US Ikopa ary ny Tfma sy ny Savonnerie.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar