Misy raha ao

Rugby – Top 14 : Ady farany ho an’Analamanga ny lalaon’Ikopa sy 3FB

Mardi 1 Novembre 2011

Rugby – Top 14 : Ady farany ho an’Analamanga ny lalaon’Ikopa sy 3FB
Ny 3FB sy ny US Ikopa no hiatrika ny lalao famaranana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny rugby diviziona voalohany na ny « Top 14 ».

Tamin’ny alalan’ny moka fohy, 27 no ho 26, no nandavoan’ny US Ikopa ny Iarivo rugy club omaly, teny Mahamasina nandritra ny lalao manasa-dalana. Niondrika teo anatrehan’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana (3FB) tamin’ny alalan’ny isa 33 no ho 27 kosa no ny miaramila tamin’ny manasa-dalana faharoa.

Nanatombo teo amin’ny fahaizana mifehy ny lalao ny 3FB teo amin’ity lalao ity ary hainy ny nanararaotra ny fihenan’ny tanjak’ireto miaramila ireto. Hotontosaina amin’ny 6 novambra ho avy izao ity lalao famaranana, izay efa niseho teto Analamanga ity.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar