Communiqués

SEFAFI: Ny fepetra takian’ny tena fiovana marina

Mercredi 30 Janvier 2019

Ahazoana manatanteraka fiovana mahomby ho an’ny fitondrana ny firenena ny nahafahana nifidy Filohan’ny Repoblika vaovao. Izany no nahatonga ny kandidà tsirairay tamin’ny fifidianana 2018 hanolotra fandaharana asa mikendry ny fampandrosoana an’i Madagasikara tsara sy haingana kokoa noho ny an’ny mpifaninana taminy. Fa na ahoana na ahoana mampitombina azy dia tsy ampy raha fandaharana asa fotsiny : tsy ho vita izany raha tsy heverina tsara izay olona hanatontosa ny fanovana tadiavina sy ny sehatra hanatanterahana azy. Koa heverin’ny SeFaFi fa fotoana mety izao hampahafantarana ny sasantsasany amin’ireo fepetra takian’ny fiovana tena izy sy lovain-jafy.

Momba ny fepetra sasany tena maika

Efa manenika ny fiarahamonina manontolo, hatrany amin’ny fara tampony ka hatrany amin’ny farany ambany, ny kolontsainan’ny tsy maty manota. Tsy voasazy intsony ny mpandika lalàna, ary ny didy fanasaziana dia tsy mihatra velively. Miteraka kolikoly izany toe-javatra izany, mitarika tsy fahatokisana intsony ny fitsarana, mandoto ny mpitandro ny filaminana, ary mampirongatra ny fitsaram-bahoaka. Ny fitondrana tsy mahavita manasazy sy mampihatra ny sazy ho an’izay rehetra nandika lalàna, na iza izy na iza, dia azo antoka fa tsy hahomby ary ho halam-bahoaka.
Ny filoha Ratsiraka no loharano nipoiran’ny fampidirana ny politika tao amin’ny tafika, ary ankehitriny vao tena miharihary ny voka-dratsin’izany. Ny miaramila anefa, tahaka ny mpikambana rehetra any amin’ny fiarahamonim-pirenena, dia tsy ao anatin’ny fiarahamonina politika. Tsy tokony hitana andraikitra politika amin’ny fitondrana izy, afa-tsy raha ohatra angaha izy ka miala tanteraka amin’ny maha miaramila azy ary mahafoy ny tombontsoa rehetra mifandraika amin’izany (fisondrotana, sns.) sady mahafoy koa ny fitambaran’ny tombontsoa ateraky ny asa roa sosona sahaniny.
Hafahafa ilay hoe ny Filohan’ny Repoblika dia mbola filohan’ny Filankevitra ambonin’ny Fitsarana ihany koa : mifanohitra tanteraka amin’ny fotokevitra ijoroan’ny fanavahana ny fahefana io toe-javatra io. Tsy maintsy ahitsy noho izany ny andininy 107 ao amin’ny Lalàmpanorenana mba hanafoanana io zavatra hafahafa io. Saingy rehefa mety ho fanitsiana ny Lalàmpanorenana, na inona io na inona, dia tsy azo atao an-kinanga : misy fomba manokana tsy maintsy anaovana azy, mila fotoana maharitra ny fandinihana azy...
Tsy mantsy tontosaina hatramin’ny farany ny fizotran’ny lalàna fa tsy atsahatra eny an-tenantenany eny. Betsaka ny lalàna nolanian’ny Antenimiera efa an-taonany maro no mbola tsy azo ampiharina, noho ny tsy fisian’ny didy fampiharana na ny fepetra tsy maintsy arahina. Amin’ity sehatra ity, ny governemanta vaovao dia tsy maintsy mamoaka faran’izay haingana ny didy fampiharana ny lalàna izay mbola tsy nahazo izany. Tsy maintsy ataony fitsipi-pifehezana ny tenany ny hamoaka ao anatin’ny iray volana raha ela indrindra ny didy fampiharana sy ny fepetra tsy maintsy arahina takian’ny lalàna vaovao rehetra.
Ny asan’ny mpanatanteraka kosa etsy an-daniny dia mihisatra na miato isaky ny misy fanovana ministra na tompon’andraikitra amin’ny ministera. Ilay vaovao dia mihevitra fa tsy nisy nety izay nataon’ilay teo alohany sady tsy raharahainy koa ny fahaizana sy ny traikefan’ny teknisiana niara-niasa taminy tao, dia ny olona nentiny no omeny toerana ary ny fomba fiasany sy ny tanjona kendreny no tereny harahina. Ilaina maika ny hahalalan’ny tompon’andraikitra any amin’ny ministera fa samy hafa ny politika sy ny teknisiana. Azo ekena ny fanovana irery voalohany, fa ny fanovana na ny tsy fahazoana antoka ny hoavy kosa ho an’ny faharoa dia mamono ny finiavan’ny mpiasa mendrika, manakorontana ny asa, mampitsingilahila na manimba ny raharaha efa natomboka, ary avotan’ny vahoaka lafo dia lafo.
Ary farany, ireo lalàna mpamono fahafahana dia tokony hamboarina haingana dia haingana. Ny voalohany amin’ireny dia ny « Fitsipiky ny fifandraisana ary ny lalàna momba ny heloka amin’ny tranokalam-pifandraisana (cybercriminalité) ». Ireo lalàna ireo dia tsy mikendry afa-tsy ny hisakanana ny fahazoana mitsikera, raisina ho toy ny fanosoram-potaka tokony handoavana lamandy be na hahavoasazy an-tranomaizina. Tsy azo ekena ny hamadihana ho heloka bevava ny fahafahana maneho hevitra, tokony hofoanana tanteraka io.

Momba ny Vondrom-bahoakam-Paritra Itsinjaram-pahefana (CTD)

Mametraka olana hafa ny politikan’ny fanapariaham-pahefana. Ny andininy 143 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa « ny famoronana sy ny famaritana ny Vondrom-bahoakam-Paritra Itsinjaram-pahefana (...) dia ny lalàna no mamaritra izany ». Ny famoronana faritra roa mba hanoloana ny faritra Vatovavy-Fitovinany izany dia tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Toy izany koa, ny andininy 154 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia manantitrantitra, momba ny faritra, fa « ny asan’ny mpanatanteraka dia sahanin’ny rantsa-mangaika tarihin’ny Lehiben’ny faritra izay olom-boafidy tamin’ny alalan’ny latsa-bato andraisan’ny rehetra anjara ». Noho izany, ny nanovana ny fiantsoana ny lehiben’ny faritra ho « Governora » sy ny fanendrena azy ataon’ny Filoham-pirenena dia tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana.
Nefa kosa, ny Lalàmpanorenana dia milaza fa ny lehiben’ny faritra sy ny lahiben’ny faritany dia fidiana amin’ny alalan’ny fifidianana ataon’ny olona rehetra (and. 154 sy 158), saingy tsy milaza mazava izy na fifidianana ataon’ny rehetra mivantana io na tsy mivantana. Ilaina izany ny manazava ny andraikitr’ireny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireny. Hoy mantsy Lalàmpanorenana hoe « miompana indrindra amin’ny lafiny toekarena sy ny fiaraha-monina ny andraikitry ny faritra » (and. 153). Noho izany, ny sampana mpanatanteraka ao aminy dia mendrika hofidiana amin’ny alalan’ny fifidianana ataon’ny rehetra mivantana. Fa ny faritany[1] kosa izay « miantoka ny fandrindrana sy ny fampirindrana ny asa fampandrosoana ho an’ny tombontsoan’ny faritany ary miahy ny fampandrosoana ara-drariny sy mirindra ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao amin’ny Faritany » (and. 157), dia tokony homena sampana mpanatanteraka voafidy amin’ny alalan’ny fifidianan’ny rehetra tsy mivantana.
Ary farany, ankehitriny ny olom-pirenena dia antsoina hifidy ny filoham-pirenena, ny solombavambahoaka, ny ben’ny tanàna ary ny mpanolotsainan’ny tanàna. Tokony hampidirina ao koa ny fifidianana ny sefo fokontany, efa nangatahin’ny mponina ary efa nankatoavin’ny didim-panjakana lah. 2009-890[2], tsy mila fanitsiana Lalàmpanorenana izany na famadihana ny Fokontany ho vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

Momba ny fitsipi-pifidianana

Ny fitsipi-pifidianana dia anisan’ny asa goavana tsy maintsy amboarina tsara faran’izay haingana indrindra. Nabaribarin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny fifanipahana sy ny banga tao amin’ny lalàm-pifidianana nolaniana tamin’ny 2018. Fa io fanamboarana io dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra, ampidirina ao ireo fangatahan’ny fiarahamonim-pirenena izay nakifiky ny governemanta sy ny antenimiera teo aloha : ny loharanom-bola nanaovana ny fifidianana, famerana ny fara tampony amin’ny fandaniana, ary fandidiana hamoaka ho fanta-bahoaka ny kaontin’ny vola ampiasain’ny kandidà tsirairay ho an’ny fifidianana. Ny fivorian’ny ministra tamin’ny 24 janoary anefa dia nandany ny vinavinam-panitsiana ny lalàm-pifidianana. Tafaverina sahady ve ny fotoana fanaovana fifampiraharahana miafina sy fametrahana ny olom-pirenena manoloana ny efa vita tsy nampahafantarina azy akory ? Ny mangarahara nampanantenaina ve izany dia fitaka fotsiny ihany !
Tamin’ny fifidianana farany teo, ny tsy nety izay nanafintohina tanteraka nataon’ny CENI dia ny vonjy tavan’andro tamin’ny lisitry ny mpifidy, satria na dia teo aza ny fanakianana naverimberin’ny SeFaFi sy ny fiarahamonim-pirenena dia nisy mpifidy 2 ka hatramin’ny 3 tapitrisa tsy afaka nifidy. Tsy maintsy manamboatra lisitra azo antoka alohan’ny hanaovana fifidianana hafa raha tian’ity fitondrana vaovao ity ny hahatonga izany fifidianana izany ho azo antoka. Momba izany indrindra dia fotoana izao hamoahana ho fanta-bahoaka ny vokatry ny fanisam-bahoaka RGPH3...
Zava-tsarotra hafa : ny fifidianana ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna misaraka dia fahasahiranana no iafarany, satria matetika ny antoko misy ny ben’ny tanàna dia mifanohitra amin’ny antoko maro an’isa ao amin’ny filankevitry ny tanàna. Ho tsotra kokoa raha ny mpanolotsainan’ny tanàna ihany no fidiana ; aorian’izay dia ireo mpanolotsaina voafidy ireo kosa no hifidy ny anankiray amin-dry zareo ho ben’ny tanàna.
Araka izany ihany, tsara raha fifidianana misy fihodinana roa no atao ho an’ny mpanao lalàna, tahaka ny amin’ny fifidianana filoha. Ny traikefa dia nahitana fa ny fifidianana tsy misy fihodinana afa-tsy tokana dia mety hahalany kandidà tsy nahazo afa-tsy vato 10 ka hatramin’ny 20% amin’ny vato manan-kery (tsy heverina ny tahan’ny fandraisana anjara), vokatr’izany, tsy mahasolo toerana na iza na iza velively ireo izay tondroina ho « solontenan’ny vahoaka ».
Ary farany, mba tsy hahatafahoatra loatra ny fifidianana atao, tsara raha andro iray ihany no hanaovana ny fifidianam-paritra (fokontany, kaomina, faritra) ary andro iray hafa ho an’ny fifidianam-pirenena (prezidàn’ny Repoblika, solombavambahoaka). Rehefa tsorina tahaka an’io ny tetiandrom-pifidianana dia azo heverina fa tsy maintsy efa milamina aloha ny faharetan’ny fe-potoana iasana any amin’ny faritra sy eo amin’ny firenena. Ary ny dingana rehetra amin’ny fanatontosana ny fifidianana dia tsy maintsy vitaina amin’ny vanim-potoana maina andro, araka ny takian’ny lalàna.

Momba ny solombavambahoaka sy ny antoko politika

Endrika faran’izay mahadikidiky no nasehon’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona izay efa mamarana ny fe-potoana iasany. Ampahany betsaka tamin’ireo solombavambahoaka 151 voafidy tamin’ny 20 desambra 2013 no nifindra vondrona politika, na dia voararan’ny Lalàmpanorenana aza izany (and. 72) : « mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy mahazo miova vondrona politika mba hiditra ao amin’ny vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia aongana ». Io fifindrafindrana baikoin’ny fitadiavana tombontsoa manokana io dia notohanan’ny fepetra maizimaizina tao amin’ny lalàmpanorenana ary nahazo famotsorana avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ! Mba tsy hampiverina intsony ny fisian’ireny olona mibirioka ka « mamadika palitao » ireny dia tokony hampiharina tsy mihambahamba ny tsy fahazoana misintaka amin’ny vondrona nidirana. Eo am-piandrasana izany, moa ve ny antoko politika ho sahy hanolotra ireny « voavidy vola » ireny amin’ny fifidianana solombavambahoaka manaraka ? Ary moa ve ny olom-pirenena mbola hifidy indray olom-boafidy efa namadika ny mpifidy azy ka nanaiky hovidiam-bola, ary hita sy fantatry ny rehetra izany ?
Ankoatra izany, izay ho solombavambahoaka manaraka eo dia tokony hahalala marina ny andraikitra sahaniny. Tsy ny hanorina sekoly na hanamboatra lalana akory no andrasana aminy, tsy ny hanangana orinasa ihany koa. « Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana » (Lalàmpanorenana, and. 68). Mitaky fitozoana izany adidy izany, nefa dia matetika no tsy misy mpipetraka ny seza ao amin’ny Antenimierampirenena. Mba hialana amin’ny fahamaroan’ny « fivoriana tsy ara-potoana sady mandany vola be no tsy mamokatra » dia atolotra ny sosokevitra hanaovana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera mandritra ny telo fa tsy ho roa volana intsony.
Olana farany, ny hoavin’ireo antoko politika efa ho 200 voasoratra ara-dalàna ara-panjakana. Zava-misy mahatsikaiky izay mampiseho fa tena lasa lavitra ny nanodinan’ny mpanao politikantsika hankany amin’ny tombontsoany manokana ny tsara indrindra ao amin’ny soa iombonana. Isika dia mbola ao anatin’ilay antsoin’i Maurice Duverger hoe fotoana mialoha ny tantaran’ny politika misy antoko maro. Any amin’ny demokrasia efa matotra, antonony tsara ny antoko politika folo eo ho eo raha hanolotra ho an’ny mpifidy vinam-piarahamonina hafa sy mifanentana amin’ny ilaina. Mety loatra eto ny hampiharana ilay tolokevitra efa naroso matetika : tsy misy tokony hahazo fankatoavana ofisialy afa-tsy izay antoko mahazo mihoatra ny 5% amin’ny vato manan-kery isaky ny misy fifidianana solombavambahoaka. Ary angamba koa sao dia tokony holanjalanjaina indray ny fomba fifidianana ?
Misy fanavaozana feno fahasahiana novinavinain’ny Filoha vaovao. Saingy tsy haharitra ny fotoana hankamamiana azy sy ny ataony. Ny hany fomba tokana hialana amin’ny fifandroritana sy ny krizy any aoriana any dia ny mizotra amin’ny lalan’ny fifanakalozan-kevitra marina izay tsy maintsy miafara foana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra matotra, takatry ny saina ary nohazavaina. « Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana, lany ».

Antananarivo, 25 janoary 2019
N.R.

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar