Misy raha ao

Semi-Marathon Orange Sipromad : Ady lehibe ho an’i Hajanirina sy Prosper ary Fulgence

Samedi 2 Avril 2011

« Tsy maintsy miatrika an’io aho. Efa nisy ny fotoana nialana sasatra taorian’ny tany Frantsa », hoy i Prosper (photo : source tanalife.com)
« Tsy maintsy miatrika an’io aho. Efa nisy ny fotoana nialana sasatra taorian’ny tany Frantsa », hoy i Prosper (photo : source tanalife.com)
Na dia vao tamin’ny faramparan’ity volana ity aza no niverina avy niatrika ny 80 km, « ecotrail Paris », i Prosper Randriasoalaza dia vonona ny hifanandrina sahady amin’i Hajanirina Andriamparany indray amin’ny « semi-marathon Orange Sipromad ».

« Tsy maintsy miatrika an’io aho. Efa nisy ny fotoana nialana sasatra taorian’ny tany Frantsa », hoy i Prosper na dia mbola tsy any anaty lisitr’ireo nalahatr’Analamanga aza izy. Hotontosaina any an-drenivohitr’i Boeny rahampitso sabotsy 2 avrily ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ity hazakazaka lavitr’ezaka 21, 097 km ity. Izy mirahalahy ireo no tena mpifanandrina akaiky na dia mpiray klioba ao amin’ny Cosfa aza. Tsy hijery fotsiny na hitsara ny adin’izy mirahalahy ireo fotsiny anefa i Fulgence Rakotondrasoa, izay atleta avy any Antsirabe fa hiezaka ny hikatsaka ny amboara ihany koa.

Tamin’ny taon-dasa dia i Hajanirina, izay tanora erotrerony no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity fifaninanana ity. Tamin’ny alalan’ny fe-potoana 1 ora 08’11’’ no namitany ny anjarany tamin’izany. Tanjona ny handefasana ireo mianadahy voalohany ho atsy Maorisy hiatrika fifaninanam-pirenena amin’ny 26 jona ho avy izao. Eo amin’ny vehivavy kosa indray dia mbola hihazona ny anaram-boninahitra azony tamin’ny herintaona i Clarisse Rasoarizay (1 ora 24’O07’’).

Manaraka azy akaiky kosa i Marinah Ramanantenasoa (I ora 29’36’’) sy Ninah Andrianambinina (1 ora 32’19) izay teo amin’ny laharana faharoa sy fahatelo tamin’ny taon-dasa, kintan’ny hazakazaka lavitr’ezaka rahateo izy mirahavavy ireo. Ity farany dia vao voahosotra ho tompondaka tamin’ny Cross Country 2011.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar