>cliquez sur la photo pour voir l'album !
Isaoranay manokana ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka amin'ny hetsika « Soratonon'2013® » :
- Ny Masoivohon'i Madagasika ao amin'ny UNESCO
- Ireo mpampianatra ao amin'ny INALCO, CROIMA (Centre de recherche sur l’Océan indien occidental et le monde austronésien)
- Ny fikambanana FIMPIMA sampana Frantsa sy HAVATSA UPEM sampana Frantsa, ny fikambanan'ny vehivavy AIFM , edisaona TEZABOKY sy ny IDAC (Idées et actions pour Madagascar).
- Ny orinasa SCOPUX, LATERIT PROD, CAP MADAGASCAR, FASTRANSFERT, KANTO SY SOA ...
- Ireo namana mpanoratra Irène Randrianarisoa Rasendra, Aina Randrianaivosoa sy Hanitra Salomon, ny mpampianatra Lanto Andrianjafitrimo, Amaly Hery Rahamalivony …
Ny mpanao hosodoko Jean Andrianaivo Ravelona Filohamboninahitry ny fikambanana KOLO.
Ny radio ECHOS CAPRICORNE
Ary ianareo rehetra nanao serasera ny « Soratonon'2013® » : MADAPLUS, MADATSARA, KOOLSAINA, RADIOVAZOGASY, TAKARIVA, HAISORATRA …
Tsorina fa lafatra sy tapitr'ohatra ny fifalianay amin'ny fiara-miasa aminareo !
Maro be, toa ny isan-taona ny loka natolotrareo. Mino izahay fa ny fihetsika nasehonareo dia manamarika ny fanohanana ny ezaka ataon'ny fikambanana KOLO nandritra izay taona maro izay, amin'ny fampiroboroboana ny teny sy ny kolontsaina malagasy aty andafy.
Hitohy hatrany anie ny fiaraha-miasa!
Isaorana koa ianareo nanatrika sy nandray anjara satria raha tsy tonga ianareo dia toa zava-poana ihany ny hetsika « Soratonon'2013® », ary tsy ny fifaninanana ihany no nahatongavanareo fa koa ny fitiavanareo ny teny sy ny kolontsaina malagasy.
Raha misy ny « ambasadaoro » ny teny sy ny kolotsaina malagasy aty andafy dia ianareo no izy, koa ampitapitao sy ampahafantaro amin'ny ny namana rehetra ny fitiavanareo ny teny malagasy.
Mbola faly mandray anareo izahay amin'ny soratononina any amin'ny RNS sy amin'ny fifaninanana « Soratonon'2014® » .
« Misaina, miaina, miala voly …, kolontsaina no tontolo »
KOLO
Nahazo ny fifaninanana Soratonon'2013® Sokajy voalohany dia :
Laharana voalohany : Rtoa RABEARIMANANA Dina
Laharana faharoa : Rtoa RAMAHAIMANANA Lalatiana
Laharana fahatelo : Rtoa RATSIMBA Ando Stéphanie
*** Marihana fa nahazo loka ireo laharana faha-4 ka hatramin'ny faha-15
Nahazo ny fifaninanana Soratonon'2013® Sokajy faharoa dia :
Laharana voalohany : RALAIMANAMISATA Marie-Paule
Laharana faharoa : RAZANAKOTO Claudia
Laharana fahatelo : RAZANAKOTO Nadine
Nahazo ny fifaninanana Soratonon'2013® Sokajy fahatelo dia :
Laharana voalohany : RAZAFINDRAZAKA Malala sy RAZAFITRIMO
