Misy raha ao

« Station » Galana voatafika : Mpiasa iray maty, vola Ar 40 tapitrisa nanjavona

Mercredi 6 Juillet 2011

« Station » Galana voatafika : Mpiasa iray maty, vola Ar 40 tapitrisa nanjavona
Omaly vao maraina be no nisy nanafika ny toby fivarotana solika Galana Domoina ao Manjarisoa Mahajanga. Tompon’andraikitra iray no maty vokatr’izany.

Vola azo nandritra ny roa andro manodidina ny Ar 40 tapitrisa kosa no lasan’ireo jiolahy.
Olona telo nanao saron-tava nitondra sabatra sy basy poleta kilalao no fantatra fa nanafika ity toby fivarotana solika ity. Mbola natory ilay tompon’andraikitra maty sy ny mpiambina iray tamin’io fotoana io no tonga ireo jiolahy.

« Tsy hitanay mihitsy ny nahatongavan’ireo jiolahy. Nanao fanamiana mainty avokoa izy ireo. Nafatony izahay avy eo no sady nambanan’izy ireo antsy teo amin’ny tenda no sady norahonany tsy hiantso vonjy, fa raha tsy izany dia vonoina. Tsy nisy ny feom-basy saingy efa maty ny namanay no hitanay », hoy i Lita, mpanadio trano tonga vao maraina, iray tamin’ireo niharan’ny fanafihana.

Be noho vitsy

Araka ny loharanom-baovao dia namaly ireto jiolahy ireto ilay tompon’andraikitra noho izy manam-batana rehefa nahatsikaritra izy fa basy kilalao no nentin’ireo jiolahy. Tratran’ny be noho vitsy anefa ka tsy afa-nanoatra. Nokendaina tamin’ny lay no nahafaty azy.

« Afa-nitsoaka aho ka niezaka nandeha nanatona tobin’ny polisy izay tsy lavitra teo. Raha tokony ho nankany amin’ilay toby fivarotana solika ireo polisy dia mbola nandeha tany amin’ny biraon’ny polisy any Manjarisoa. 30 mn taorian’ilay fanafihana vao tonga izy ireo », hoy ihany i Lita.

« Vao tonga teo amin’ilay toerana ireo polisy dia nanapoaka basy. Efa tsy teo intsony anefa ireo jiolahy tamin’io », hoy ihany ny fanampim-baovao voaray avy any an-toerana.

Vero.A/ Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar