Misy raha ao

THB Champions League : Efa mazavazava ny fihodinana faharoa

Lundi 26 Septembre 2011

photo Claude Rakotobe (mada-sport.org)
photo Claude Rakotobe (mada-sport.org)
Efa manomboka hita avokoa ireo ekipa roa misongadina isaky ny vondrona hiatrika ny fihodinana faharoa ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara na ny « THB Champions League » eo amin’ny baolina kitra.

Ho an’Antsirabe dia ady filaharana sisa no hihaonan’i Japan Actuel’s sy ny Akademie Ny Antsika, izay hatao amin’ny alahady ho avy izao. Ny FC Ihosy sy ny ASJF Capricorne kosa no efa any ami’ny ivon-toeram-pifaninanan’i Toliara. Ny tompondakan’Ihorombe no mitarika vonjimaika amin’ny alan’ny isa 11 amin’izany, izay manan-tombo isa tokana manoloana ny tompondakan’Atsimo Andrefana.

Nandalo fotoan-tsarotra kosa, saingy efa manomboka mihiratra ny masoandron’ny Ajesaia any Antsiranana noho ireo faharesena indroa nisesy nanjo azyt ireo tamin’iny alalan’ny « tir au but ». Amizao dia tafiditra ho laharana faharoa vonjimaika aorian’ny Ascum ity solontena faharoa ho an’Analamanga ity. Hiady ny ho voalohany any amin’ny vondrona C, izay any Toamasina, kosa ny Cnaps Sport sy ny FCE amin’ny alahady.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar