Misy raha ao

"THB Champions League" : Tsara toerana ho tompondaka ny Japan Actuel’s

Lundi 28 Novembre 2011

Fandresena faharoa no azon’ny Japan Actuel’s, tetsy Mahamasina omaly, nandritra ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara baolina kitra, na ny "THB Champions League".

2 no ho 1 no nandavoan’ny ekipan’i Manjakaray ny Cnaps Sport. Nitarika tamin’ny alalan’ny isa 1 no ho 0 teo amin’ny segaondra faha-55 anefa ireto mpilalaon’Itasy ireto, saingy resy ihany tamin’ny farany. Mitady ho tapitra hatreo izany ny nofinofin’ny Cnaps Sport hanao pao-droa taorian’ny efa nahazoany ny amboaran’i Madagasikara tamin’ity taom-pilalaovana ity. Na izany aza anefa dia mbola miankina amin’ny andro fahatelo ho an’ity "poule des AS" ity ihany ny vokatra rehetra.

Rahampitso dia manana tombony ihany ny ekipan-dRabri sy Abdou satria ekipa heverina ho vahiny eo amin’io fifaninanana io ny Asjf Capricorne hihaona farany amin’izy ireo. Ny Akademia Ny Antsika kosa no hifanandrina amin’ny ekipan’i Titi Rasoanaivo sy Jean Marie.

Tamin’ny alalan’ny isa 1 no ho 0 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany no nitarihan’ny Asjf Capricorne ireo zandrikelin’Antsirabe. Mbola nahazo "penalty"» teo amin’ny fidirana voalohany ihany koa aza ny mpilalaon’i Toliara, saingy tsy matin’i Melin Vitazara. Baolina niadiana tao anaty faritra tsy azo ivalozan’i Toliara no voakitik’i Jimmy Simouri, ka nahasahalan’ny Akademia Ny Antsika ny isa ho 1 sy 1.

Rahampitso izany no hivoaka etsy Mahamasina ny tompondaka vaovao handimby ny Cnaps Sport.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar