Misy raha ao

Taekwondo WTF : Hitiliana an’ireo ho any Ejypta ny fifaninanam-pirenena

Lundi 31 Octobre 2011

Taekwondo WTF : Hitiliana an’ireo ho any Ejypta ny fifaninanam-pirenena
Isan’ireo fifaninanana hoentina mifantina an’ireo mpikatroka hiatrika ny fifanintsanana ho amin’ny lalao olympika 2012 atao any Port Said (Ejypta) amin’ny 11-12 janoary 2012 ho avy izao ny fifaninanam-pirenena 2011.

Hotontosaina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina amin’ny 19-20 novambra ho avy izao ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy pupilles hatramin’ny seniors ity. Ligim-paritra 9 miampy distrika telo no handray anjara amin’izany fifaninanana farantampony eto Madagasikara izany, araka ny nambaran’ny federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD) tetsy Mahamasina, omaly.

« Manana solontena telo (roa lahy sy iray vavy) hiatrika ny fifanintsanana farany ho amin’ny fiantrehana ny lalao olympika hhatao any Londres amin’ny 2012 isika. Miankina amin’ny isa azon’ny tsirairay, izay ny federasiona iraisam-pirenena no mametraka izany arakaraka ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ny vokatra azony », araka ny nambaran’i Dimby Pharlin, tale teknika nasionalin’ny taekwondo. Maromaro ny vokatra azon’ity taranja ity hatramin’ny taona 2010, izay nijoroan’ny birao vaovao. Isan’ireny ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika lefitra sy ireo medaly alimo roa. Amin’ny taona 2012, izay fe-potoana hifaranan’ny fitantanan’izy ireo izany Fmtkd izany, dia hampiantrano ny fiadiana ny amboara sy ny ho tompondakan’i Afrika isika.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar