Misy raha ao

Taksiben’Ambohidratrimo : olona 2 no maty, 11 naratra teny Mandriambero

Mardi 1 Mars 2011

Namono olona indray ny zotra D mampitohy ny renivohitra sy Ambohidratrimo, omaly maraina.

« Zazavavikely 8 taona, antsoina hoe Farida Armelia Tiandrainy, izay nirahina nividy mofo gasy, say mpivarotra saribao iray 30 taona, antsoina hoe Hary, izay handeha hiantsena, no indray nohitsahin’ny fiara taksibe iray ao amin’io zotra io », araka ny ny fahitan’ny manodidina nanatrika ny fisehoan’ny loza. Namoy ny ainy teo no ho eo izy mianaka ireo. Nahatratra 11 no naratra, na tao anatin’ny fiara na ny olona voafaoka tety ivelany. Lehilahy iray nitondra môtô no naratra voadona ihany koa.
Tsy nahasoroka ny loza ireo dongona mpanapaka hafainganam-pandeha efatra amin’iny lalana mandalo ny tanàna’i Mandriambero ho aty an-drenivohitra iny.

« Mbola nanala olona teo Ambohidratrimo io taksibe io. Nisy nilaza hiala teo Ankadibe fa tsy tafajanona intsony ny fiara, nisosososo toy ny tapaka hisatra izy, midina rahateo ny lalana. Nasain’ny olona nadona tamin’ny rindrina ny fiara. Farany nisongona ny fiara teo aloha izy ka nandona fiara 4x4 nifanena, izay nikipily tamin’ny fefy tamboho. Nidona tamina zorona garazy iray tamin’ny farany ka nandona olona roa nijanona teo ambonin’ny môtô teo an-tsisin-dalana, izay vao nitsirara nandona fivarotana mofo gasy », hoy ny fitantaran-dRavaosoa Baosolo, naratra tamin’ny tongony, tao anatin’ilay taksibe nitera-soza.

Zanaka vavy tokan’ny reniny i Farida kely, maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.
Ny zandarimaria ao Amborompotsy no misahana ny famotorana ity raharaha ity. Efa voatazona ny mpamilin’io taksibe nitera-doza io.

Barphil Andriantsiferanarivo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar