Misy raha ao

Talen’ny orinasa voatafika : Voaroba ny Ar 10 tapitrisa

Samedi 9 Avril 2011

Omaly vao maraina be, tokony ho tamin’ny 3 ora ka hatramin’ny 4 ora, no nisehoan’ny fanafihana teny Ambohibao-Antehiroka, ka nahalasibatra tranona tale eo anivon’ny orinasa lehibe iray eto an-drenivohitra.

Firavaka volamena manodidina ny 8 tapitrisa ariary sy lelavola roa tapitrisa ariary no lasan’ny jiolahy mora foana.

« Jiolahy iray nisaron-tava, niaraka tamin’ny antsy, no niditra an-tsokosoko tao amin’ilay trano. Resin-tory ilay mpiambina ny tanàna. Nisy namoha tamin’ny fanalahidy ilay trano ka avy hatrany dia ny kaonteran-jiro no novonoin’ilay jiolahy. Andeha hijery ilay kaontera ilay tale, tompon’ny trano izay tavela irery tao an-trano, no nifanena tamin’ilay jiolahy teo an-dalantsara », hoy ny loharanom-baovao.

Voaambana antsy izy ka tsy afa-nanohitra ary nofatoran’ilay jiolahy. Efa hitan’ity farany avokoa avy eo ny toerana rehetra misy ireo firavaka volamena sy ny fitoeram-bola. Nitsoaka mora foana izy taorian’izay.
Raha ny tatitra avy amin’ny zandary dia tamin’ny 5 ora maraina no nahazo ny antso tamin’ny tompon-trano izy ireo. Efa tsy tratra intsony ny mpandroba.

Ilay mpiambina no natao famotorana. Voasambotra omaly teny Ivato ihany anefa io jiolahy io, izay tsy iza fa mpiambina teo aloha tao amin’ilay tanàna ihany. Efa manana ny fanalahidin’ilay trano izy ireo. Mbola tratra tany aminy avokoa ireo entna very rehetra.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar