Misy raha ao

Tanjombato : Tratra ihany ilay vehivavy nanondraka asidra polisy

Jeudi 5 Mai 2011

Tanjombato : Tratra ihany ilay vehivavy nanondraka asidra polisy
Naiditra am-ponja omaly ilay vehivavy izay nanondraka asidra ilay polisy vadiny teny Tanjombato, ny 17 febroary.

Tany Ambatondrazaka vao voasambotra ity vehivavy ity, ny alatsinainy teo.

Fifandirana vokatry ny olana tao an-tokantrano no nitarika ity fanondrahana asidra ity. Voa mafy tamin’izany ny ilany havia tamin’ny vatan’ilay polisy sy ny lohany. Nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy teny Tanjombato ilay niharam-boina.

« Tamin’io andro io ihany dia nosamborina ilay ramatoa ary tafatsoaka, ny 18 febroary rehefa noentina teny amin’ny fitsarana », hoy ny fanazavana avy amin’ny polisy.

« Fampitam-baovao tamin’olon-tsotra no nahalalana fa tany Ambatondrazaka izy. Voatery nidina tany ny polisy avy eny amin’ny kaomisarian’i Tanjombato nisambotra azy », hoy ihany ny loharanom-baovao.

Araka ny fantatra dia vesatra roa no miandry ity vehivavy ity amin’ny fotoam-pitsarana azy. Eo aloha voalohany indrindra ilay fanondrahana asidra ny vadiny ; fa eo ihany koa ilay fandosirana ny Fitsarana.

Taorian’ity tranga ity dia nisaraka tanteraka ilay polisy sy ity vehivavy ity, izay vao 28 taona monja. Voalazan’ny polisy fa « tsy nandà ny helony io vehivavy voampanga io, nandritra ny famotorana azy ».

faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar