Misy raha ao

Taranja judo : Hiompana amin’ny fanomanana ny Lalao Olympika 2016

Samedi 14 Janvier 2012

Taranja judo : Hiompana amin’ny fanomanana ny Lalao Olympika 2016
Ny fananan’ny federasiona malagasin’ny Judo solon-tena (Fetra Ratsimiziva) amin’ny lalao olympika 2012, izay hatao any Londres amin’ny volana jolay sy aogositra izao, no nahatonga azy ireo hiompana sahady amin’ny fanomanana ny lalao olympika hatao any Rio de Janeiro (Brésil) amin’ny taona 2016.

« Hitodika amin’io fanomanana io ny fanomanana io ny fandaharam-potoan’ny federasiona amin’ity taona ity. Hanomboka amin’ny taona 2013 ny fifaninanana ho amin’izany ka io no anton’ny fanomanan-tena dieny izao », hoy i Siteny Radrianasoloniaiko, filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo.

Ny fandefasana mpikatroka any Frantsa, toa an’i Zouzou sy Brenda avy ao amin’ny AS Saint Michel sy i Nazir avy ao amin’ny klioba HMS no heverin’izy ireo fa hampety izany. Voalaza fa hanainga amin’ity herinandro ity izy ireo ary efa vita ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany ». efa nisy ahany koa ireo mpikatroka nalefa any Tonizia, hiomana any amin’ny ivon-toerana iraisam-pirenen’ny judo. Isan’ireny i Elie Norbert sy Antonnio, izay samy avy ao amin’ny klioban’ny Houssen Memorial School any Toliara avokoa.

Fanirina’ny federasiona ny tsy tokony handanindaniam-poana ny volam-panjakana ho aniroe taranja tsy misy fifanintsanana ho an’ny lalao Olympika ». « Raha ts izany dia voatery hiditra amin’ny fifidianana taranja isika satria i Jamaika sy Etopia dia taranja tokanan no hahafantarana azy », hoy izy.

Roméo Andriamihaja

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar