Misy raha ao

“Telma Afrobasket Tour” : Samy ho rakotra Basket ball Antsiranana hatrany Tolagnaro

Lundi 18 Juillet 2011

“Telma Afrobasket Tour” : Samy ho rakotra Basket ball Antsiranana hatrany Tolagnaro
Renivohi-paritra dimy (Antsiranana, Antananarivo, Morondava ary Fort Dauphin sy Moramanga) no hokarakarain’ny Telma amin’ny fampahafantarana ny fandraisantsika ny “Afrobasket men 2011”.

Hetsika efa natomboka tamin’ny voalohandohan’ny volana jolay izy ity mba hanentanana ireo Malagasy rehetra hiray fo amin’ireo mpilalao basket ball, izao ho avy hanafika antsika amin’ny 17-28 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena. Andraikitra noraisin’ny orinasa Telma sy fampahafantarana izany amin’ny maha mpanohana ofisialy azy ireo.

Fifaninanana eny anivon’ireo tanàna holalovany amin’ny alalan’ny lalao basket lalaovin’olona telo na ny Fiba 33 miampy ireo fanentanana hiarahana amin’ny Dago Mix Club (DMC) sy ny fifaninanana handraisan’ireo mpijery anjara no hanamarika izany “Afrobasket Tour” izany.

Tanàna maro no efa nolalovan’ity hetsika ity toa an’Antsirabe, Fianarantsoa, Ambilobe, Ambatondrazaka ary ireo faritra manodidina an’Antananarivo. Ny 13 aogositra no hamaranana izany, amin’ny alalan’ny filaharambe manodidina ireo Boriborintany eto Antananarivo renivohitra.

R.A

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar