Misy raha ao

"Telma Coupe de Mada" : Nivoaka sempotra ny Akademia ny Antsika

Mardi 18 Octobre 2011

"Telma Coupe de Mada" : Nivoaka sempotra ny Akademia ny Antsika
Efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy teo anatrehan’ny Terrible de la Côte Ouest ny Akademia Ny Antsika avy any Antsirabe, omaly tany Toamasina.

Tamin’ny alalan’ny isa 1 no ho 0 no nahatafita ireto zandrikelin’Antsirabe ireto, ho eo amin’ny dingan’ny manasa-dalana ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara na ny "Telma Coupe de Madagasikara".

Saika ireo ekipa napetraka ho "tête de Poule" tamin’ny antsapaka nialoha ny dingan’ny ampahefa-dalana avokoa no tafita hiatrika ny dingana manaraka teto. Tany Mahajanga dia nailiky ny Tana Formation FC tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 0 ny 3FB avy any Toliara. Nomontsanin’ny Cnaps Sport, tamin’ny alalan’ny isa 9 no ho 0 kosa ny Antafana avy any Toamasina tany amin’ny kianja Rabemananjara hatrany.

Tany Toamasina kosa dia tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 0 no nandavoan’ny tompon’ny amboara farany (AS Adema) ny Toamasina FC, izay hany ekipa nilalao tamin’ny taniny teo amin’ity dingan’ny ampahefa-dalan’ny "Telma coupe de Mada" ity.

Raha ny tohin’ny fifaninanana amin’ny manasa-dalana, izay hatao amin’ny 30 oktobra 2011, dia hiatrika ny Cnaps Sport any Mahajanga ny AS Adema. Any Toamasina kosa no hifanandrina ny Akademia Ny Antsika sy ny Tana Formation FC, izay mbola tsy nihaona mihitsy teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar