Misy raha ao

Tenisy-Junior : Nanjakazakan’Analamanga ny fifaninanam-pirenena

Vendredi 2 Septembre 2011

Tenisy-Junior : Nanjakazakan’Analamanga ny fifaninanam-pirenena
Tsy nisy namelan’ireo atleta avy eto amin’ny ligin’ny Analamanga ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy tanora teo amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny tenisy.

Hatramin’ny lefitry ny tompondaka aza dia mpilalao iray avy any Boany (Nantenaina Marcel Rabenirina) no mba hany hafa ligy tamin’izy ireo.

Tontosa omaly teny amin’ny kianjan’ny Asut Ankatso ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara, teo amin’ny sokajy U8, U10, U12, U14, U16 ary U18 lahy sy vavy. Mbola voatanan’i Jean Jacques Rakotohasy ihany ny anaram-boninahitra teo amin’ny sokajy junior(latsaky ny 18 taona) tamin’ity taona ity. Tsy nahavaly azy fa lavony tamin’ny alalan’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/2) i Solonantenaina Rakotoson, izay nifanadrina taminy teo amin’ny lalao famaranana omaly. Nandray ny amboarany faharoa ihany koa i Andriatoavina Ratsimandresy, izay efa nahazo izany teo amin’ny sokajy benjamin ary mbola nahazo ihany koa teo amin’ny sokajy minime.

Ligim-paritra enina(Analamanga, Boeny, Amoron’i Mania, Menabe, Antsinana ary Vakinakaratra) no nadray anjara tamin’io fifaninanam-pirenena ho an’ny tanora io. Hatreto aloha dia mbola tsy voafaritra ny fotoana hanaovana ny anjaran’ny sokajy zokiny, izay matetika herinandro aorizn’ny fahavitan’ny an’ny tanora no anaovana azy. Raha ny tsilian-tsofina dia amin’io volana septambra io no nangataha’ny mpanohana ny federasiona hanaovana izany saingy mbola tsy voatondro ny daty. Manahy ny fahatampohana ireo mpilalao tenisy malagasy amin’izao.

Roméo Andriamihaja

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar