Nomontsaniny avokoa ireo mpifanandrina taminy teo amin’ny sokajy misy azy, izay nisy ny nosy Maorisy, Seychelles, Comores, ary La Réunion.
Noho ny ezaka goavana vitan’ity ankizivavy kely 8 taona, izay avy ao amin’ny faritra Antsiranana ity, dia nanome fankasitrahana aazy ny Lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina. Tamin’ny talata lasa teo no nanolorana azy vola 300 000 ariary, ho valin-kasasarany, tao amin’ny biraon’ny faritra. « Noho ny nitondrany avo ny voninahitry ny faritra Atsinanana sy ny voninahi-pirenena tany an-tanin’olona tany no anton’izao fanomezana izao », hoy ny Lehiben’ny faritra.
Mpianatra ao amin’ny sekoly frantsay iray ao Toamasina i Tafanga Daniella ary ao amin’ny kilasy CM2 izy ankehitriny. Tao amin’ny klioba CRJS Toamasina kosa no misy azy amin’ny filalaovana tenisy.
Joel Valencio