Misy raha ao

Tenisy-Tompondakan’i Afrika : Ifandrombahana ny fankasitrahana an’i Zarah

Mercredi 13 Avril 2011

Zarah Razafimahatratra
Zarah Razafimahatratra
Roa andro taorian’ny nandrombahan’i Zarah Razafimahatratra indray ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika, teo amin’ny tenisy junior, dia toy ny ifaninanana ankehitriny ny fanomezana fankasitrahana ho an’ity atleta ity sy ny fianakaviany.

Saika nifanindry ohatra omaly ny hetsika mifandraika amin’izany, nataon’ny minisitry ny Fanatanjahantena, Ndremanjary Jean André, sy Ramamonjisoa Virapin, minisitra teo aloha sady filohan’ny Virapun Group, izay antoko politika noforoniny.

Vola 1 tapitrisa ariary avy no natolotr’ireto olobe roa ireto tamin’ny ray aman-drenin’i Zarah. Ny filohan’ny Virapun Group no nisantatra ny fankasitrahana omaly antoandro tetsy amin’ny tranon-dray aman-drenin’i Zarah tetsy amin’ny Cnut tetsy Ambohibao.

« Efa nampanantena aho fa hanampy an’i Zarah hatrany raha mitohy ny vokatra tsara omeny ny firenena malagasy, na dia tsy minisitra intsony aza. Amin’ny maha samy olon-tsotra anay no hanolorako izany ary efa niteny tamin’ny minisitra Ndremanjary Jean André aho nialoha ny nandehanako tety », hoy i Virapin Ramamonjisoa, hoy ingahy minisitra teo aloha.

Tetsy andaniny, nomarihin’i Jean André Ndremanjary tetsy Ambohijatovo fa efa misy ny « barème » napetraka eo anivon’ny minisitera iandraiketany, mikasika ny fanampiana ara-bola homena ny mpanao fanatanjahantena nahazo amboara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsara ho an’ny atleta malagasy ny fifaninanana hafahafa tahaka izao. Tamin’ity indray mitoraka ity izao dia i Zarah no tena nahazo tombony.

Maromaro ny fihetsika tahaka izao. Tsy harisika tokoa ve ny mpanao fanatanjahantena raha ireo antoko politika an-jatony ireo no hilahatra hanome fanampiana. Ny tsininy kely fotsiny dia isika toa miha sakaizan’ny mpandresy hatrany hatrany.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar