Misy raha ao

Tetezana Tanjombato : Maty ny mpamilin’ilay fiara nanitsy tao Ikopa

Mardi 20 Septembre 2011

Tamin’ny 2 ora maraina, ny sabotsy lasa teo, dia nirimorimo mafy avy aty Ankadimbahoaka , mizotra ho any Tanjombato ny fiara marika Wolkswagen Golf type 2 iray.

Avy dia nanitsy nandrava ny arofanin’ny tetezana eo Tanjombato izy, ka nitsoraka tao an-dreniranon’i Ikopa. Tetezana manana haavo mitovy amin’ny rihana telo no nianjerany. Ny rano dia lalina hatrany amin’ny dimy na enina metatra.

"Maty tao anatiny ny mpamily fa nifatotra fehikibo sy nihidy ny fitaratra", hoy ireo nahita maso ny fitrangan’ny loza. Ny olona iray niaraka taminy kosa mba avotra ny ainy fa tafavoaka. Mpampianatra izy roa lahy ary vao avy nisongona fiarakodia hafa talohan’io loza io.

Nilentika tany anaty rano tanteraka ilay fiara. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, nitady izay hevitra hamonjena ilay mpamily fa tsy nisy fanafany. Vatana mangatsiaka sisa nalaina tao anatin’ilay fiara. "Mety ilay fidonan’ny fiara tamin’ny arofanina no nikapoka ny lohany, satria nandona izany ny ilany havia misy azy eo aloha. Izay dona hafa mety nahazo azy tamin’ny fiara nilentika tao anaty rano io heverina fa nahafaty azy io", hoy ny mamonjy voina iray. Voalaza fa efa nisy nahita nirimorimo be teny Tsaralalàna, saika nandona môtô ity fiara ity talohan’izao loza izao.

"Mety hafoy io fiara io fa be loatra ny simba tamin’ny fianjerany tao anaty rano tao. Tsy azo raisina intsony ny maotera mafana, tratran’ny rano mangatsiaka", hoy ny mpanamboatra fiara iray, tonga nizaha ity loza tsy fahita firy teny amin’ny tetezan’i Tanjombato ity.

Barphil Andriantsiferanarivo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar