Misy raha ao

Tonelina Ambohidahy : Ankizy mpiala sasatra maty voadonan’ny taksibe

Mardi 13 Septembre 2011

Loza mahatsiravina indray no nitranga teny amin’ny tonelina Ambohidahy ny sabotsy teo.

Ankizy vavy 7 taona mpiala sasatra no namoy ny ainy nodonin’ny fiara mpitatitra. Potika ny lohany ary maty tsy trà-drano izy.

Fiara mpitatitra avy any Andoharanofotsy no nandehanan’ilay ankizy niaraka tamin’ny raibeny. Rehefa tonga teo amin’ny tonelina dia nisy fitohanan’ny fiara. Nilaza ilay mpanampy ny mpamily fa afaka miala izay te hiala. Ilay ankizy no nidina voalohany. Avy hatrany dia niampita izy ka tamin’izay indrindra no voadonan’ny fiara mpitatitra iray hafa", hoy ny avy amin’ny fianakavian’ilay maty, tonga teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona naka ny razana.

Tsy hitan’ilay raiben’ilay zaza niaraka taminy izay natao rehefa nitranga ny loza. Olona sendra nandalo no nanampy azy hampandre ny fianakaviany. Nosaronana lamba fotsy ilay razana teo amin’ny sisin’ny arabe. Ny fiaran’ny Birao misahana ny fahadiovana (BMH) kosa no naka ny razana ary nanatitra izany teny Ampefiloha.

Vao ny zoma teo no nisy loza mahatsiravina tahaka izao teny Anjanahary. Mpanao taxiphone no maty nohosen’ny kamiao feno vato. Voalaza fa tapaka hisatra ilay fiara be tamin’izany. Samy voatana eny amin’ny polisy Tsaralalàna avokoa ny mpamilin’ireo fiara nahafaty olona ireo.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar