Misy raha ao

Tour de Nosy be : Hiara-dalana ny bisikileta sy ny fizahantany, antananarivo

Samedi 19 Novembre 2011

Hivady any nosy be ny hazakazaka am-bisikileta sy ny fizahantany. Hiodina an'ity renivohitra ny ylang ylang ity amin'ny alahady ho avy izao ireo mpihazakazaka 90 nasain'ny ofism-paritry ny fizahantany any nosy be (ortnb).

"Natao indrindra hanbeazam-boho ny sehatry ny fizahantany aty an-toerana io hetsika io", hoy i andré aolfi, filohan'ny ofisy amin'izao fotoana izao. Halaviran-dalana 65 km miainga avy eo amin'ny foiben-toeran'ny ortnb mankeny ambatoloaka no hifaninanan'ireo mpandray anjara amin'ity hetsika iraisam-pirenena ity.

Mpihazakazaka avy avy any an-toerana miampy an'ireo avy eto antananarivo sy ireo teratany vahiny no handray anjara amin'izany. Isan'ireo handray ny fiaingana ihany koa amin'ity, araka ny nambaran'ny mpikarakara, ny mpiahazakazaka efa avy voahosotra ho tompondakan'i itaie. Nasaina avokoa ireo mpihazakazaka avy any amin'ny faritra manodidina toa an'i sainte marie, ambanja, antsiranana ary ambilobe. Eo amin'ny lafiny fizahantany dia hahazo fihenambidy amin'ireo trano fandraisam-bahiny 30 miara-miasa amin'ny ortnb ireo mpanontrona sy ireo fianakavian'ny mpihazakazaka mandritra ny fivahinianany anay nosy be ity.

Raheriniaina et Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar