Misy raha ao

Tsipy Kanetibe : Tompondakan’i Madagasikara i Odile sy Annick ary Francine

Mercredi 25 Mai 2011

Odile Razanamahefa sy Annick Ramananandro ary Francine Randriambahiny ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara…
Odile Razanamahefa sy Annick Ramananandro ary Francine Randriambahiny ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara…
Norombahin’i Odile Razanamahefa sy Annick Ramananandro ary Francine Randriambahiny ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara…

...teo amin’ny olon-telo miaraka vehivavy.

Tontosa tamin’ny alahady teo, tetsy amin’ny boulodrome d’Ankorondrano, ny lalao famaranana ka nivoahan’ity ekipan’ny CIA (Club d4ivato Aéroport) ity ho mpandresy. Tamin’ny alalan’ny isa 13 no ho 4 no nanalihan’izy ireo an-dry Fanja Lalaina Andrianavalona sy Livarisoa Andriamananjara ary Josepha Ramiandrisoa, avy amin’ny klioban’ny Cap Andohatapenaka, teo amin’ny famaranana.

Niara-dalana tamin’io koa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny olon-telo miaraka junior lehilahy, ka nibatan’i Steph Rakotonirina sy Tsikimalala Ranaivoson ary Johary Ramanjatoharimalala avy amin’ny klioban’ny CBU (Club Bouliste Unoh) avy any Antsirabe ny amboara, raha nandavo ny CIA, nisy an-dry Armand sy Jimmy Randriamahazo ary Miharilanto, tamin’ny isa 13 no ho 11.

Ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, amin’ny 15 aogositra ho avy izao no miandry azy ireo amin’ny manaraka. Mialoha izany anefa dia hisy ny Open d’Analamanga, izay hotontosaina amin’ny faran’ny herinandro izao.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar