Misy raha ao

Tsipy kanetibe : Katita telo mianadahy hanafika any Torkia

Mardi 15 Mars 2011

Tsipy kanetibe : Katita telo mianadahy hanafika any Torkia
Sambany no hisy fifaninanana ho an’ny ankizy. Hanana solon- tena amin’ny fifaninanana « World children Sport games », izay hatao any Ankara Torkia, amin’ny 24 avrily ka hatramin’ny 1 mey ho avy izao, i Madagasikara, eo amin’ny taranja tsipy kanetibe.

Ankizy telo mianadahy no voafantina amin’izany dia i Mampionona Ramahefasoa sy Jean Eric Randrianjafinirina eo amin’ny olon-droa lehilahy ary Mamitiana Ravaka Rakotoarisoa kosa ny eo amin’ny vehivavy. Nandritra ny fifaninanana nasionaly natokana ho an’ny ankizy 12 ka hatramin’ny 14 taona, izay natao teny amin’ny toeram-pilalaovana teny amin’ny « Le Cheval Blanc, Ivato omaly, no nahafahana nifantina azy telo mianadahy ireo. « Isan’ny namiratra i Ravaka sy Mampionona ary Jean Eric nandritra ny fifaninanana ho an’ny ankizy io, ka mazava fa izy ireo no hisolo tena antsika amin’io fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Torkia io », hoy i Gérard Naturel, filohan’ny federasiona malagasin’ny tranja tsipy kanetibe.

Roméo Andriamihaja
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar