Misy raha ao

Tsy lasa omaly ny AS Adema, andrasana ny anio sy rahampitso

Samedi 23 Avril 2011

Tsy lasa omaly ny AS Adema, andrasana ny anio sy rahampitso
Samy miandry izay ho fiovan’ny anio sy rahampitso ny mpitia baolina kitra rehetra.

Tsy lasa tamin’ny fiaramanidina tokony hiaingana’izy ireo ho any Maorisy mankany Dubai, hahatongavana any Casablanca ny AS Adema, omaly.

« Tsy nifankahazo ny mpitantana sy ny mpiasan’ny orinasa izay mikirakira ny dia (agence de voyage) iray ka feno tampoka indray ny fiaramanidina tokony handehanan’izy ireo », hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny AS Adema. Omaly tontolo dia nikaroka hevitra avokoa ireo rafitra rehetra mitantana an’ity klioba ity ny amin’izay handehanana, saingy tsy nisy mangirana izany, araka ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity.

Efa tonga hatramin’ny fiantsoana tany Maraoka ny amin’ny mety hanemorana ny lalao noho izay mety ho fahataran’izy ireo aza. « Tsy nisy fiaramanidina azo nofaina mihitsy hahafahana manatanteraka ity dia ity androany (omaly). Tsy maintsy mitady hevitra faran’izay haingana noho izany izahay eto anivon’ny AS Adema mba tsy hanala baraka », hoy io loharanom-baovao io.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar