Misy raha ao

Varomaizina : Fiarana CST ilay nahatrarana vatosoa enina taonina

Mercredi 5 Octobre 2011

Varomaizina : Fiarana CST ilay nahatrarana vatosoa enina taonina
Ny jeneraly Ravalomanana Richard, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimaria eto Antananarivo no namboraka omaly …

…fa "fiaran’ny fiadidiana ny Fahefana avon’ny tetezamita izay ampiasain’ny mpikambana iray eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (Cst) no nitondra ireo vatosoa maro isan-karazany, tra-tehaka tany Antsirabe niaraka tamina teratany gineanina".

Nokasaina hamidy 5 tapitrisa ariary isaky ny kilao ireto vato izay mahatratra 6 taonina rehefa natotaly. Tamin’ny fiandohan’ity volana ity no nahatrarana ireto vato sarobidy ireto.
« Tsy maintsy atao ny famotorana an’io mpikambana ao amin’ny Cst io », hoy ihany ny jeneraly Ravalomanana Richard.

Ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ny jeneraly Rasolosoa Dolin aloha raha nanontaniana mikasika ity raharaha ity dia nilaza avy hatrany fa « tsy manakana ny famotorana ataon’ny zandary mihitsy ».

Na izany aza dia nanipika ny amin’ny « tokony hanajana ny fombafomba tsy maintsy arahina amina famotorana tahaka izao », ny tenany.

Tsy ao anatin’ny fivoriana aloha ity andrim-panjakana ity ankehitriny, ka mety hanamora ny fizotry ny famotorana izany. Ambositra sy Ikalamavony no fantatra fa fiavian’ireto vato ireto. Tsy nisy afa-tsy tamberim-bidy no taratasy teny ampelatanan’ireo Gineanina enina izay nahatrarana azy ireo.

"Aorian’ny famotoran’ny zandary dia mbola hofotoranay ihany koa ireo voarohirohy amin’ity raharaha ity", hoy kosa ny lietnà-kolonely Behivoka, lehiben’ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany.

Ny 28 septambra teo no nisy fivoriana manokana nataon’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny hetsika famongorana ny raharaha maizina amin’ny fitrandrahana sy fivarotana harena ankibon’ny tany. Ny fisavana atao amin’ireo fiara mandeha eny amin’ny lalam-pirenena no tena iandraiketan’ny Zandarimaria.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar