Homba anareo mandrakariva anie ny Fiadanan’i Jesoa Kristy.
Misaotra sy mankasitra indrindra ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny fanatontosana iny fotoana iny izahay.
Misaotra sy mankasitraka indrindra tamin'ny zavatra rehetra ry havana. Hita fa tsy nikely soroka tokoa ny komity, ny Sampana, ny tsirairay, ianareo izay nanome sy nampindrana ny fitaovana samihafa toy ny fanamafisam-peo, ny fikarakarana samihafa ka nanao araka izay tratra ary tsy nitsanga-menatra ny Fiangonana sady ho fanehoana ny Voninahitr'Andriamanitra izany. Tsy nitarain-tana-miempaka ianareo noho ny fanoloran-tena sy ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra.
Ny Fiangonana izay nifanohana, indrindra ireo solontena maro tonga nanatrika ny fotoana. Mankasitraka indrindra ry havana fa samy nandray anjara araka izay tandrify avy ny tsirairay.
Misaotra indrindra tamin’ny fandraisana anjara nataon’ny Sampana rehetra tamin’ny fanentanana ary ireo mpana-talenta izay tonga nanotrona, tsy ho voatonona araka ny anarany avy.
Mahafaly indrindra ny fiaraha-mientana naseho ho Voninahitr’Andriamanitra ary tsy nitandro hasasarana ianareo tamin’izany, tao ny hery lany, ny vola aman-karena, ny fotoana, ny Tompo anie hanonitra ireny rehetra ireny ary hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy.
Mankasitraka indrindra ireo nikarakara tamin’ny fividianana ny sakafo, ireo izay tsy natory fa niaritra noho ny fahandroana .Honeran’ny Tompo anie ny hasasaranareo.
Misaotra indrindra ireo nanao ny fandaminana na ny nahazoana ny trano, na ny fikarakarana hatramin’ny fotoana farany nialana teo amin’ny toerana nanaovana ny hetsika.
Misaotra indrindra izay nandefa solontena sy ireo Fiangonana ary Fiaraha-mivavaka any amin’ny faritra izay nanolo-tanana tamin’ny fandraisana anjara, ary nisy ireo izay nahatonga solontena maro fa tsy nionona tamin’ny fandraisana anjara, isan’ireny ny FJKM Rennes-Laval sy ny hafa koa izay ankasitrahana indrindra.
Raha nisy ny lesoka tamin’ireny sanatria, dia tsy ny lesoka no harangaranga sy hatao ho zava-dehibe fa ny fiaraha-mientana sy ny ezaka lehibe nataon’ny tsirairay. Nasehontsika ny fiombonana ary irariana ny hitohizan’izany hatrany.
Ny Tompo anie hamaly anareo tsirairay avy araka ny haben’ny Fahasoavany ka hanambina anareo amin’izay rehetra ataonareo.
‘’Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany,…’’ Heb.6.10
Raha misy Dera ary raha misy Laza dia hatao ho Voninahitr’Andriamanitra irery ihany izany rehetra izany, ary hanomezany Fitahiana antsika zanany rehetra.
Mankasitraka anareo indrindra ry havana noho ny fiaraha-miasa sy ny fifanotronana.
Manao veloma finaritra anareo amin’ny anaran’i Jesoa Tompo izahay.
Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo
Toeram-pivavahana
81 Quai de la Marne, 94 340, Joinville Le Pont
Ny Mpitandrina Ny Filohan’ny Firahalahian’ny Diakona
Jean D’Elinivo Emmanuel Nirina RASOLOFO