Misy raha ao

Vokatra ratsy : Hametra-pialana nyu mpanazatran’ny Barea

Mardi 9 Août 2011

Vokatra ratsy : Hametra-pialana nyu mpanazatran’ny Barea
Resy indray. Tsy tontosa ilay valifaty saika nilofosan’ny mpilalao baolina kitra malagasy tamin-ndry zareo Renioney nandritra ny andro faharoa amin’ity taranja ity tamin’ny lalaon’ny Nosy atsy Seychelles.

Resin’i La Réunion tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Barean’i Madagasikara, tamin’ny sabotsy lasa teo. Mivavaka mafy sisa ny Malagasy mba handresy an’i Mayotte i La Réunion anio, dia mety mba ho tafakatra amin’ny dingana manasa-dalana ihany isika.

Hitarika hatramin’ny fametraham-pialan’i Mosa eo amin’ny toeran’ny mpanazatra nasionaly ity faharresena ity, taorian’ny ady sahala 1 sy 1 nataontsika tamin-dry zareo Mahorey, vantany vao tonga aty an-tanindrazana ny delegasiona malagasy. « Nanana tanjona napetraka aho. Rariny sy hitsiny raha avelako ho an’ny hafa ity toerako ity. Aleo ifandimbiasana ny toerana. Tsy mampaninona ahy ny mibaby an’izao tsy fahombiazana izao », hoy fotsiny i Mosa.

Ho an’i Fidy Rasoanaivo, mpanazatra nasionaly kosa, dia ny finiavana handresy mihitsy no tsy ampy amin’ny mpilalao malagasy intsony. « Misy ny mpilalao sasany mihevitra fa efa tsy azo ozongozonina intsony ny maha mpilalaon’ny Barea azy ».

Tsy ny manindry ny mpifanandrina mandritra ny 90 mn tokoa no zava-dehibe. Raha izay mantsy dia efa tafakatra ny Barea. Saingy nosimban’ny hadisoana tena tsy fanao amin’ny fifaninanam-pirenena tahaka ny lalaon’ny Nosy izany : mpiandry tsatokazo (Kandy) mandray tanana ny baolina averin’ny vody laharana ; vody laharana (Jimmy) manolotra baolina ho an’ny mpanafika mpifanandrina ao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana… Ireo no namonoan’ny Renioney ny baolina roa tamintsika Malagasy, na dia efa nitarika 1 no ho 0 aza isika tamin’ny fizaram-potoana voalohany (baolina matin’i Yvan).

Andry Ratovo

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar