Misy raha ao

Volley Ball-CCCOI : Lasan’I Madagasikara avokoa ny amboara

Mardi 6 Décembre 2011

Volley Ball-CCCOI : Lasan’I Madagasikara avokoa ny amboara
Tsy namelan’ireo solontena Malagasy tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’I Afrika ho an’ny faritra fahafito teo amin’ny volley ball raha tsy azon’izy ireo ny amboara rehetra teo amin’ny lehilahy sy vehivavy.

Voahosotra ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina teo amin’ny sokajy vehivavy ny Stef’auto, izay nandavo ny Tranquebar Black Rangers avy any Maorisy tamin’ny alalan’ny seta 3 no ho 1. Sambany izy ireo no nahazo izany.

Mbola nahazo amboara manokana teo amin’ny mpanafika tsara indrindra ihany koa I Alfred Rose de Lima (Stef’auto); mpamahana mendrika indrindra I Mamode Ismael Dadjiman (Stef’auto) sy Sehonirina Bernardia (3FB). Teo amin’ny lehilahy kosa dia “libero” mendrika indrindra I Tsiory (AS Voara), raha mpamahana tsara indrindra I Boudha sy Malakia samy mpilalao ao amin’ity ekipan’ny AS Voara ity avokoa.

Lavon’ny AS Voara kosa ny Camp Ithier Volley Ball, avy any Maorisy, teo amin’ny famaranana ho an’ny lehilahy. Efa nitarika tamin’ny alalan’ny seta 3 no ho 2 (15/25, 23/25, 30/28, 27/25, 15/10) ny nahatafavoaka azy ireo tamin’izany.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar