Misy raha ao

Volley Ball : Tonga tsy nisy mpitsena ny federasiona iraisam-pirenena

Mardi 29 Mars 2011

Sep Blatter (filohan’ny FIFA) sy Jizhong Wei (filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ho an’ny volley ball) à Madagascar...
Sep Blatter (filohan’ny FIFA) sy Jizhong Wei (filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ho an’ny volley ball) à Madagascar...
Nifanohitra tanteraka ny fahatongavan’i Sep Blatter (filohan’ny FIFA) sy Jizhong Wei (filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ho an’ny volley ball).

Tsy nisy tamingana minisitera vaovao tonga nitsena ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ho an’ny volley ball, teny Ivato omaly, na dia efa am-bolana maro aza no nahafantarana ny fahatongavany.
Saika nirohotra tetsy Mahamasina avokoa ireo minisitra voatendry ho ao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena tamin’ny sabotsy teo. « Efa nisy ny fampahafantarana ireo rafitra rehetra natao tamin’ny fahatongavan’ity filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ity », hoy i Clarisse Randrianilana, filohan’ny federasiona malagasin’ny volley ball, izay nahatsiaro tena ho zanak’Ikalahafa.

Ny filohan’ny Komity olympika malagasy, Siteny Randrianasoloniaiko, sy ny talen’ny kabinetran’ny minisitra teo aloha Virapin Ramamonjisoa no hany tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina tamin’izany. « Efa nisy ny fampahafantarana ny fahatongavan’ity filohan’ny FIVB ity tamin’ireo rafitra rehetra, saingy tsy nisy tonga izy ireo », hoy ity talen’ny kabinetra ity. Isan’ireo tafiditra ho ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ity filohan’ny FIVB ity, ny fitsidihana ireo manam-pahefana eto an-toerana, izay mikatsaka fatratra ny fankatoavana iraisam-pirenena.

R.A
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar