Misy raha ao

Vono olona Antsirabe : Niaiky ny helony ny zanak’ilay pretra afaka

Samedi 2 Avril 2011

Miha mipotra ny marina. Nitonon-tena, ny talata lasa teo, i Laza, ka koa hoe Rambo, ka nanoro olona roa hafa nanampy azy ireo tamin’ny famonoana olona tao Antanambao Vélodrome Antsirabe.

Tafakatra ho 10 ankehitriny ireo efa voasambotra amin’ity raharaha ity, ary mbola misy olona hafa karohina ihany koa. Ity antsoina hoe Laza, sy ny namany roa hafa nosamboria ny alakamisy lasa teo, no niaiky fa nandray anjara tamin’ny famonoana an’i Clarisse, ilay mpanjaitra hita faty voalohany tao amin’ny tanànan’Antanambao. Raha ny fitantaran’ireo olona ireo, dia ny ramatoa iray voalaza fa rafivavin’i Clarisse, no naniraka azy ireo ary nifarimbona tamin’ny famonoana io renim-pianakaviana io, tamin’ny fomba feno habibiana.

Te hanan-karena

« Rehefa tsy tonga naka ny fatiny izay saika haterina tany amin’ny tranon’i Clarisse, io ramatoa mpaniraka io, dia nodoranay ny faty », hoy ny filazan’i Leba, zanak’ilay mompera niala, tompon’ny tanàna ao Antanambao.

Momba ny fomba namonoana ilay tovolahy vao 16 taona, izay tsy hitan’ny havany nanomboka ny 26 mey 2010 kosa, no notantarain’i Alexandre na Lex. Ity farany dia iray amin’ireo voasambotra ny alakamisy teo. Naborany fa nalaina an-keriny io tovolahy zanaky ny tompon’ny trano ipetrahany io, izay tsy lavitra ny toerana nanaovana ny famonoana tao Antanambao ihany. Nangataka tambiny Ar 10 tapitrisa tamin’ny havan’ilay tovolahy izy ireo, saingy naharitra loatra ny fampiraharahana ka niafara tamin’ny famonoana azy, izay mbola mpianatra tamin’izany.

Angola Ny Avo
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar