Misy raha ao

Vono olona sy fakana an-keriny : Tah kely, Djaffar, Mosa… isan’ireo mbola karohina mafy

Jeudi 8 Septembre 2011

Betsaka ireo olona karohina fatratra amin’izao fotoana izao noho ny heloka samihafa.

Samy manana ny olona karohiny ny toerana misy ny biraon’ny polisy na zandary iray manerana ny Nosy. Ho an’ny ato anatin’ny faritanin’Antananarivo dia ireo ahiana amin’ny raharaha fakàna an-keriny sy vonoan’olona no miverimberina ny filazana fikarohana.

"Hatramin’ny heloka eritreretina ho madinika ka hatrany amin’ny heloka bevava dia misy foana ny olona amoahana fikarohana. Mora kokoa ho an’ny olona ao amin’ilay faritra nitrangan’ilay heloka ny mety hahafantatra ny endrik’ilay olona karohina mivoaka amin’ny sary. Tsy izay rehetra karohina ihany koa anefa dia hananana sary. Ny ankamaroan’ireo olona karohina dia anarana sy izay mikasika azy avokoa no aparitaka", hoy ny lietnà kolonely Randrianarijaona Jocelyn, lehiben’ny opération eo anivon’ny fari-piadidiam-paritany zandarimariam-pirenena (Cirgn) Antananarivo.

Itambaran’ny polisy sy ny zandary

Miankina amin’ilay raharaha maha voasingotra ilay olona karohina ihany koa ny hetsika fikarohana azy. Tahaka izany Randrianaivoson Nisly Tafitasoa na Tafita na Ta-Kely, isan’ireo voarohirohy tamin’ny nahafaty ilay zandary teny Mahamasina tamin’ny 28 oktobra 2010. Isan’izany koa i Djaffar, Mosa, Saïd sy ny sisa… izay na ny polisy na ny zandary dia samy mikaroka azy ireo avokoa.

"Tsy voatery ho meloka izay olona karohina, indrindra raha mbola tsy nisy didim-pitsarana mahakasika ilay raharaha. Rehefa hita kosa ilay olona dia atao famotorana ary atolotra ny Fitsarana izy. Hatramin’izao fia fampitam-baovao avy amin’olona tsirairay no ahafahana misambotra ireny olona karohina ireny. Tokony ho fantatry ny rehetra fa loza mitaotao ho an’ny tsirairay ireny olona heverina ho jiolahy ireny raha tsy voasambotra. Noho izany, dia tokony hampandre ny mpitandro ny filaminana izay mahalala ny misy azy ireny. Azo antoka fa tsy hisy hahalala ny mikasika ilay nanome vaovao", hoy ihany ity tompon’andraikitra ity.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar