Misy raha ao

Vonoan’olona / Nokapaina famaky ny lohan’ilay mpitondra môtô

Jeudi 3 Février 2011

Ny vatana mangatsiakan’i Kiki, misy diam-pamaky eo amin’ny loha sy hita fa nodorana ny ilan’ny tenany sisa, no novantanin’ny fianakaviana, ny 17 janoary lasa teo tany Belo-sur-Tsiribihina.


Niala teto Antananarivo, niaraka tamin’ny namany iray antsoina hoe Rafenomanana Séraphin na Ruphin izy ny 4 janoary 2011. Io no nahitana azy farany ary handeha hividy « mercure » any ambanivohitr’i Belo-sur-Tsiribihina no anton-dian’izy roa lahy.

Raha ny loharanom-baovao avy eny anivon’ny Zandarimaria dia môtô vaovao vao novidiana no nentin-dry Kiki tany. Ny harivan’ny 5 janoary izy roa lahy no tonga tao Belo-sur-Tsiribihina. Ny ampitso, notohizana ny dia, namonjy ny toerana voalaza fa hahitana sy azo ividianana « mercure » izy ireo. Tamin’io andro io, mbola nifandray an-telefaonina tamin’ny vadiny i Kiki. Taorian’izay anefa, tsy nandrenesam-baovao intsony izy.
Nandefa solontena hikaroka azy ny fianakavian’i Kiki. Mpiandry omby sendrasendra azy ireo no nanoro hoe « atsy misy fatin’olona tsy misy mahalala ». Rehefa natao ny fombafomba samihafa dia nakarina taty an-drenivohitra ny razana.

Nametraka fitarainana teny anivon’ny Zandarimaria ny fianakaviana ka nitera-bokatra ny fikarohana. Hita tany amin’ny rahalahin’i Ruphin ilay môtô. Ny aro lohan’i Kiki kosa tratra tany amian’i Ruphin, niaraka tamin’ny vola 700 000 ariary. Teo amin’ny fakàna am-bavany dia nilaza i Ruphin fa vola 4 400 000 ariary no nomen’i Kiki azy, nentiny nandositra niaraka tamin’ny môtô. Ny fianakaviana kosa dia milaza fa vola 20 000 000 ariary no tany amin’i Kiki, nentiny hividianana « mercure ».
Ny alatsinainy 31 janoary teo no natolotra ny Fitsarana ny raharaha. I Ruphin kosa nalefa eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fotoana hitsarana azy.

Barphil Andriantsiferanarivo
G. Ravelomanantsoa

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar