Misy raha ao

Zava-mahadomelina : Rongony 100 kg saika hamidy Ar 1 tapitrisa

Samedi 30 Avril 2011

Zava-mahadomelina : Rongony 100 kg saika hamidy Ar 1 tapitrisa
Andro vitsivitsy zay no efa nokarohina teto an-drenivohitra ireto mpanao varo-maizina rongony ireto.

Ny talata teo no sarona ny iray tamin’izy ireo, miaraka amina fiara marika Golf izay efa narahi-maso sy nenjehina teto an-drenivohotra. Rongony 100 kg no sarona, izay nokasaina hamidy 1 tapitrisa ariary. Ny namany roa hafa dia tafaporitsika tamin’ny vela-pandrika napetrakiny polisy.

« Nisy olona nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana nilazafa misyireto mpanao varo-maizina rongony ireto. Narahina ilay fiara izay voalaza fa mpanatitra rongony eny amin’ny faritra Ambatomaro, amin’iny antsoina hoe bibilava iny. Napetraka teny an-toerna ny polisy tsy manao fanamiana. Nisy vokany izany ny talata teo », hoy ny tatitry ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina.

« Tafatsoaka ny roa tamin’ireo olona ahiahiana fa ilay milaza ho mpamily ilaya fiara ihany no tratra. Ny iray tamin’ireo nitsoaka dia mpividy ireo rongony ary ny iray hafa kosa dia ny tompony », hoy ihany ny fanazavanaavy amin’ny polisy.

Olona iray nanatri-maso ny fisamborana teny an-toerana no nanamafy fa « olona telo tokoa no tao anatin’ilay fiara « golf » ary efa samy nivoaka ny fiara izy ireo tokony ho tamin’ny 12 ora ».

Avy any Andranomena ireto rongony sarona ireto, araka ny fantatra. Ankoatra izay dia notanan’ny mpitandro ny filaminana ilay fiara Golf.

« Ahiana ho fiara halatra ihany koa io fiara io satria tsy misy taratasy mazava mikasika izany. Milaza ilay mpamily fa nilain’ny zandary ny taratasin’ilay fiara. Taty aoriana indray anefa dia nilaza izy fa very izany », hoy ny fanampim-panazavana. Naiditra am-ponja vonjimaika omaly ilay vaotondro ho mpamily ny fiara.

Faralala
N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar