Misy raha ao

Zaza enim-bolana voaolana : Samy naiditra am-ponja ny reniny sy ilay nanolana

Samedi 2 Juillet 2011

Naiditra am-ponja avy hatrany ilay lehilahy voalaza fa niaiky teo anoloan’ny mpanao famotorana fa nanolana ilay zaza enim-bolana teny Anosibe.

Ny renin’ilay zaza sy ny vehivavy iray izay nitaiza azy ihany koa dia samy notanana am-ponja avokoa. Hentitra ny mpitsara mpanao famotorana omaly mikasika ny fanapahan-kevitra fampidirana am-ponja ireto olona ireto ;

« Eny Tsiafahy ilay lehilahy ary eny Antanimora kosa ny renin’ilay zaza sy ilay voalaza ho nitaiza azy. Ny 29 jona teo no nosamborinay ilay lehilahy nahavanon-doza », hoy ny kaomisera Velontsara Marcel, talen’ny famotorana eo anivon’ny polisim-pirenena.

Simba mihitsy ny fivavian’ilay zazakely tonga teny amin’ny hopitaly. « Niaiky ny helony ilay lehilahy. Nilaza izy fa rehefa hitany mamo no sady resin-tory ilay vehivavy nasain’ny renin’ilay zaza nitaiza ny zanany, dia naolany ilay zazakely », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena.

Ny 22 jona hariva no nitranga ity fihetsika mamoafady ity teny Anosibe. Ny ampitson’io no tonga teny amin’ny polisy Anosy ny renin’ilay zaza sy ny fokonolona nitaraina ny amin’ny zava-nanjo ny zanany. Nalefa notsaboina ilay zaza taorian’io, ka ny 27 jona no nitohy ny famotorana. Ny 29 jona tamin’ny 9 ora alina no nosamborin’ny polisy teny Ambohijatovo ilay nahavanon-doza sy ilay vehivavy nasaina nitaiza ilay zaza. Araka ny famotorana ihany anefa dia efa namono nahafaty zaza enim-bolana ity lehilahy ity ny taona 2008 ary efa nigadra noho izany.

Faralala

N.R.

Nouveau commentaire :

Alerte Infos | Insolites et le-saviez-vous ? | Interviews | Communiqués | Photos galeries | Bons plans | Questions-Réponses | Vaovaom-piangonana | Recettes malgaches | Tout sur Air Madagascar | Contact | Chronique | Misy raha ao | Voyages, Tourisme à Madagascar | Mada en 1 clin d'oeil | Lu sur le Net | Codes promos | Mada infos régions | Soirées | Tv Gasy | Web radio | Vos agendas soirées et événements ici ! | Courrier des femmes | PPN | A la une | APFMada : Association "Agir pour les femmes à Madagascar" | Journal Télévisé RTA - Madaplus | Associations | Sponsors et partenaires du Big Mada White - Nuit Blanche 2016 | Retrouvez : infos et Communiqués Air Madagascar